ActualitésTsidika

Anosy avaratra : Vita soa aman-tsara ny fanamboarana ny lalana Lazaina-Amboniloha

Vita soa aman-tsara ny asa fikojakojana ny lalana ao amin’ny sampanan’i Lazaina sy Lazaina Amboniloha, ao amin’ ny kaominina Anosy Avaratra. Voarakotra tara ny lalana, tsy manano sarotra ho an’ny mponina intsony ny fifanmezivezena ao an-toerana, araka ny voalaza.

“Izao asa izao no vita dia teo ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny mponina teto Lazaina Amboniloha. Nanampy tamin’ny fifanomezan-tanana ka nahavitana izany ihany koa ireo tsara sitra-po ka dia hisaorana azy ireo indrindra ny fifanomezan-tanana sy ny fandraisana anjara ho an’ny soa iombonana toy izao” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Hitohy amin’ny fikojakojana ny lalana eo amin’ny sampanan’ny Hopitaly Anosy Avaratra sy Ambohitrinimanga indray aorian’izao asa izao. Ka ao anatin’izany hatrany dia mbola mangataka ny fiaraha-mientana amin’ny rehetra ahafahana mampandroso izany asa izany. Efa nisy moa ny fandefasana ny taratasy fanentanana ka eo am-pandraisana ny fandraisana anjara avy amin’ireo voakasik’izany” hoy hatrany ny fanazavana.

Amam-bolana vitsy no nitondran’ny tomponandraikitra sy ny mponina tao an-toerana ny fanamboarana ity lalana ity. Zava-dehibe tokoa ny fahavitan’izany ho an’ny mponina satria sady taratry ny fampandrosoana eny ifotony izany no efa ela no niandrasan’ny maro izany fanamboarana izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire