Asie : Misy karazany ny « baguette »
Fitaovana nentim-paharazana tsy misaraka amin’ny kolontsain’i Asie ny « baguette ». Misy ny « baguettes japonaises » izay antsoina hoe Hashi. Efa tany amin’ny taonjato maro tany izy no nisy ary ara-tantara dia nentina avy tao Chine izy. Tany ampiandohana dia nampiasaina nizarana fanatitra tamin’ireo andriamanitra izy io. Zava-manisy nentina fampifandraisana ny andriamanitra sy ny olombelona teo ampisakafoana izany. Somary bory ny tendron’ny « baguettes japonaise » ary maranidranitra ny tendrony handraisana ny sakafo.Misy ihany koe ny « baguettes chinoises », raha ny fantatra dia tao an-toerana no ivon’io fitaovana io. Ampiasaina indrindra amin’ny sakafom-piraisana izy. Lavalava kokoa izany ao an-toerana ary somary efajoro matevitevina miaraka amin’ny tendrony boribory.Ny « baguettes coréennes » kosa no antsoina hoe « jeotgarak » izay vita amin’ny vy. Matetika « acier inoxydable » sy volafotsy no hanamboarana azy. Tany amin’ny taon-jato fahafito dia volafotsy no tena nampisain’izy ireo noho izy nahafahana namantatra raha nisy poizina ny sakafo iray. Rehfa mifandray amin’ny singa toy ny « arsenic » mantsy ny volafotsy dia miova loko.
