France : Honko iray nahitana bakteria goavana tao Guadeloupe
Bakteria goavana indrindra eran-tany ity hita tao anaty honko na « mangrove » ity. Ny tarika tao amin’ny oniversiten’ny Antilles no nahita azy. « Thiomargarita magnifica » kosa no anarany ary lehibe avy 20 heny noho ilay « microbe géant mangeur de soufre » izay lehibe indrindra farany hita tao Namibie izy.Raha ny tokony ho izy dia kely dia kely ny bakteria, tsy hita ny maso raha tsy mampiasa « microscope » saingy tazana soa aman-tsara ny « Thiomargarita magnifica » izay mirefy 2 santimetatra. Vehivavy antsoina hoe Silvina González, no nahita io bakteria io voalohany teo amin’ny ravin’ny honko efa simba ary nanazava izy fa efa 10 taona no nandinihany azy. « Procaryote » na « microorganisme » sela tokana tsy misy « noyau » izy, miendrika tady kely (ficelle) ary manana endrika tsy mitovy amin’ny hafa. Mbola manohy ny fikarohana kosa izy ireo.
