PolitiqueTatitra

Corée du Sud : Nisokatra omaly ny fifidianana filoham-pirenena vaovao

Nisokatra ny alarobia 9 martsa teo ny biraom-pifidianaan tao Corée du Sud. Heverina fa nitombo ny mpifidy tamin’ny taona ity noho faharisihan’ny mpifidy ny herinandro lasa teo na dia teo aza ny tsy fahatomombanana nisy teo amin’ny fampielezan-kevitr’ireo roa tena ankafizin’ny maro.Misy an’i Lee Jae-myung, kandida ny ankavia izany, izay antoko demokratika ary eo amin’ny fitondrana amin’izao fotoana. Yoon Suk-yeol, mpandala ny nentin-drazana kosa no mpifanandrina aminy izay avy amin’ny antoko ny herin’ny vahoaka (PPP). Nifanarakaraka ny antontanisan’izy ireo tamin’ny fanadihadiana natao. Lasan’izy roa ny 90% ny vato tamin’izany izany nanena lavitra ny fanantenan’ireo kandida 10 hafa.

Laisser un commentaire