Italie : Nahita « nécropole préromaine » ireo mpanadalina nandritra ny fikarohana momba ny vato sy ny vakoka
« Nécropole », toerana nandevenana ireo mpanakarena, niaraka tamin’ny fananany, nahorina talohan’ny fanjakana romanina, no hitan’ireo archéologue, nandritra fandalinana sy ny fikarohana nataon’izy ireo tao atsimon’i Italie. Manakaiky an’i Amorosi, izay any amin’ny 50km miala an’i Naples no nahitan’ireo mpikaroka izany. Ity toerana ity izay kasain’ny fanjakana any an-toerana hanamboarana toeram-piantsonana elektronika, izay handehanan’ny fiaran-dalamby amin’ny hafainganam-pandeha mafy (TGV), ka nanaovana fikarohana mialohan’ny hametrahana izany. Mahatratra 13.000 metatra ny haben’ity toerana mitahiry vakoka manatantara ity. Fasana 88 no nahorina tao an-toerana, tamin’izany fotoana izany, tany amin’ny VIII na VII mialohan’i JC. Ireo fsan-dehihaly dia nahitana fitaovam-piadina ary haingo firavaka vita alimo no hita tamin’ireo fasana nisy ny vehivavy.
