ActualitésTsidika

Alasora: Hatramin’ny 31 may ny fisoratana anarana amin’ny didim-poitra faobe

Hisy ny hetsika didim-poitra faobe ao amin’ny kaominina Alasora. Nanomboka ny 24 aprily teo ny fisoratana anarana ary tsy hifarana izany raha tsy ny 31 may 2024, araka ny voalaza.

« Tahaka ny fanao isan-taona dia hisy ny hetsika fanaovana didim-poitra maimaim-poana karakarain’ny kaominina. Efa azo atao ny misoratra anarana ho an’ireo izay liana amin’izany ka eny amin’ny fokontany tsirairay no handraisana izany » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Zava-dehibe ho an’ny mponina ny hetsika tahaka izao. Efa iaraha-mahafantatra ny fahasahiranana noho ny hasarotry ny fiainana amin’izao fotoana, ny saran’ny fanaovana ny hasoavan-jaza ihany koa dia efa lafo, maro ny tsy mahatakatra izany ka miandry ny hetsika toy izao » hoy i Lanto, renim-pianakaviana.

Tsara marihina, fa manomboka amin’ny dimy alina ariary amin’izao fotoana ny saran’ny fanaovana hasoavan-jaza eny amin’ny dokotera.

Laisser un commentaire