Antsohihy: Trano fandraisam-bahiny iray may
17 oktobra; trano fandraisam-bahiny iray lehibe tao Antsohihy no may omaly tamin’ny 09 ora alina. Nisy zavatra nipoaka tao amin’ny efitrano iray tany ambony rihana; io no nitarika ny firehetana. Iny afo iny no niparitaka tamin’ireo hefitrano rehetra tany ambony rihana. Nifarimbona ny fokonolona sy ny tompon’andraikitra tany an-toerana. Tsy manana fitaovana manokana famonoana afo ny kaominina; notaterina tamin’ny “citerne” mpanamboatra lalana ny rano ho famonoana ny afo.
