Dépêches

Manakara : Zaza maty vokatry ny fikapohana azy

Dépêche 30 septembre , 10h30, Mbola manome vahana ny fikasihan-tanana ho sazy ny ankamaroan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Toy ity tranga niseho tao Maroalakely Manakara ity. Teo ampanaovana ny enti-mody ity zaza no voakapoky ny reniny tamin’ny lohany satria nisy zavatra diso ny nataony ka nitarika tamin’ny fahafatesan’ilay zaza. Nandositra moa ity reniny rehefa naheno izany ka mbola tsy hita hatramin’izao.

Laisser un commentaire