ActualitésTsidika

Alasora: Efa andalam-pahavitana ny kianja filalaovana basket

Efa andalampahavitana amin’iza fotoana izao ny fanamboarana ny kianja filalaovana ny taranja baskety izay namboarin’ny kaominina ao amin’ny EPP Miadana ao Alasora. Hisy ny lamina izay ho apetraky ny kaominina ho an’ireo izay ekipa maniry ny hilalao eto amin’ity kianja ity.

« Fanapahan-kevitra anisan’ny goavana ary mety tokoa ny fanadaminana napetraka. Ankoatra izay anefa dia ilaina ny fanaraha-maso ny foto-drafitr’asa mba hialana amin’ireo mpanimba sy tsy manaja ny fananana iombonana, eo ihany koa ny fanentanana ireo mpampiasa azy amin’izay fanajana azy izay » hoy i Zoary, tomponandraikitra misahana ekipa mpilalao.

« Efa ela no niandrasana kianja malalaka tahaka izao izay tena ilain’ny tanora tokoa, indrindra ireo mpisehatra amin’ity taranja ity ety Alasora, hirariana mihitsy ny hoe mba hisy kianja tahaka izao ny fokontany sy toerana malalaka rehetra » hoy i Aro, mpilalao basketball.

Anisan’ny mamporisika ny tanora hilalao na hanao fanatanjahantena mihitsy ny fametrahana kianja toa izao. Efa miroborobo tokoa ny filalaovana ity taranja iray ity ao Alasora ka rariny raha misy ny fanamboarana kianja toa izao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire