ActualitésTatitra

Cyclone, typhon, ouragan : Inona no maha samihafa azy ?

Samy fomba fiteny hampiasaina hilazana ny rivo-doza avokoa ireo teny telo ireo. Maro ny mametra-panontaniana hoe rehefa inona dia inona no ampiasaina. Ny valin’izay dia ny toerana hisehoan’ilay rivo-doza no hamaritana azy.

Ireo toe-javatra telo ireo dia mitovy ihany ny fisehony, orambe arahina rivotra mafy manana hafainganam-pandeha hatramin’ny 360km/h eo izany, amin’ny toerana mafana no tena misy ny rivo-doza. Samy manana ny anarany kosa arakaraky ny toerana misy azy. Ny teny hoe « cyclone » dia ampiasaina any amin’ny Océan Pacifique (atsimo andrefana sy avartra) ary any amin’ny Océan Indien (atsimo andrefana). Ny « ouragan » kosa dia ampiasaina any amin’ny faritra avaratra amin’ny Océan Atlantique sy Océan Pacifique (avaratra andrefana sy atsimo andrefana). Mahakasika ny teny hoe « typhon » kosa dia ry zareo any amin’ny Océan Pacifique (avaratra andrefana) no mampiasa azy.

Laisser un commentaire