Ankadikely Ilafy: Notolorana amboara maha-vice championne azy ireo ny ekipan’ny Crai Basket
Taorian’ny faharesen’ny ekipan’ny Crai Basket, nandritra ny lalao famaranana ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena, teto anivon’ny distrika Avaradrano, eo amin’ny taranja Basket-ball, tsy nitsanga-menatra ny kaominina Ankadikely Ilafy manoloana ny ezaka nataon’ny ekipa. Notolorana mari-pankasitraka ireo mpilalao voafantina omaly, nanditra ny fananganan-tsaina tao an-toerana.
“Mitana ny laharana faharoa na « Vice Championne » ny ekipa voafantin’ny kaominana sokajy vehivavy rehefa resy amboninahitra tamin’ny isa tery dia tery, 43 noho 55 nanoloana ny ekipan’ny kaominina Ambohimangakely. Tao aorian’ny fanaganan-tsaina omaly Alatsinainy 09 Oktobra dia niara-niombom-bavaka tamin’ireo mpiasa rehetra teto anivon’ny kaominina ireo ekipa mahery fo sy reherehan’ny tanana ireo ary nandritra izany no nanoloran’izy ireo ny amboara maha « vice championne »” hoy ny avy amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.
“Manoloana ny ezaka vitan’izy ireo dia tsy hay ny tsy hisaotra azy ireo voalohany indrindra amin’ny fiarovana sy ny fitondrana avo ny voninahitry ny kaominina. Hisaorana ihany koa anefa ny mpanohana rehetra, avy amin’ny fiadiadian’ny kaominina sy ny mpijery ihany koa ary indrindra ireo niara-nientana sy nifanohana nandritra izany” hoy hatrany ireo tomponandraikitra.
Samy naneho ny ezaka sy ny fahaiza-manaony avokoa ireo mpilalao rehetra nandritra ity fifaninanana ity. Hita taratra fa manana mpilalao mahay sy mendrika ireo ekipa isaky ny kaominina teto amin’ny distrika. Tsiahivina fa iny ekipa mpandresy amin’izao tournoi inter-communal izao no hisolo tena ny distrika any amin’ny fifaninanana rezionaly.
Manitra R.
