Fiainam-bahoaka : Mitsitsy amin’ny fomba rehetra ny olona
Dépêche 30 septembre, 11h, Raha nanao fitsirihana ny teo anivon’ny Ministeran’ny varotra dia tsikaritra fa misy amin’ireo mpivarotra no tena maka tombony betsaka loatra amin’ny entana amidy. Voatery miaina amin’ny zava-misy ny mponina vokatr’izany rehefa tsy mbola nisy ny fepetra noraisina. Fomba fitsitsiana nataon’ity raim-pianakaviana iray ity ny famerana ny menaka 1 litatra mba ho ampy tsy mihoatra mandritra ny herinandro. Nasiany marika ny tavoahangy fa hatreo ihany no laniana anatin’ny iray andro. Ny soa fianatra.
