ActualitésTsidika

Literatiora : Ampirantiana ao amin’ny tranombokim-pirenena ny vokatr’i Michèle Rakotoson

Mandritra io volana oktobra io dia hiseho sy hiranty ao amin’ny tranombokim-pirenena ireo vokatr’ity mpanoratra manana ny maha izy azy ity dia i Michèle Rakotoson izany.

Mpanoratra Malagasy nandresy tamin’ny andiany faha-14 tamin’ny fifaninanana Ivoire ho amin’ny Literatiora Afrikana amin’ny fiteny Frantsay izy ka izay indrindra no antony hampahafantarana azy mandritra ity volana oktobra ity. Sady fanomezam-boninahitra ity mpanoratra ity izany no fanoomezana fahafaham-po ireo mpitia boky.

« Ho hitantsika mandritra izany ny momba momba ity mpanoratra ity sy ny lalana nodiaviny, ao ihany koa ireo boky sasany izay nosoratany ary indrindra dia fotoana iray hiaonany amin’ireo mpankafy sy mpanraka azy ihany koa izao hetsika natokana ho azy izao », hoy i Francis Razafiarison, Talen’ny kolontsaina . « Izay rehetra mifandray amin’ny boky dia ho hitanareo ao avokoa, eny fa na ireo izay tsy asa tanako aza ka afaka entiko hatao ohatra dia ho voaresaka ao avokoa izany », hoy kosa i Michèle tamin’ny fanehoan-keviny.

Iray volana natokana ho an’ity mpanoratra ity manokana ao amin’ny tranom-bokim-puirenena saingy ireto daty telo ireto dia tsara tadidiana. Ny 14 okotbra, hanehoany ny vokatra farany izay nahazoany mari-pankasitrana dia ilay mitondra ny lohateny hoe « Ambatomanga, le silence et la douleur » sady ampiarahany amin’ny fombafomba hataony rehefa manoratra. Ny 21 oktobra, famoahana an-tsehatra ireo bokiny izay hataon’ny Opération Bokiko. Ny 28 oktobra dia ny fihaonan’ireo mpankafy aminy hifampizarana sy hiresahana sady famaranana ny fampirantiana.

Ao amin’ny efitrano Jaonamanoro ao amin’ny Tranom-bokim-pirenena izany hetsika izany no hatao mandritra ny iray volana katroka.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire