Algérie : Tany efitra misarika mpizaha tany i Hoggar
Tany efitra ary tandavan-tendrombohitra mahatratra hatramin’ny 2 918 m haavo i Hoggar. Ao atsimon’i Algérie no misy azy, ao afovoan’i Sahara. Lalovan’ny tropikan’ny Cancer any amin’ny 80 km avaratr’i Tamanrasset io toerana io. Misahana velaran-tany 50 000 km² kosa izy.
Maro mpitsidika i Hoggar. Anton’izany ny maha faritra tsara indrindra azy ao Algérie. Eo ihany koa ny fisarihan’ny lemaka Atakor, ny tanànan’i Tamanrasset, ny tendrombohitra Tahat ary ny fasan’i Tin Hinan izay « matriarche » razamben’ny touareg.
