Ambohimangakely : Notoloran’ny ben’ny tanàna grady ireo polisy kaominaly
Nisy ny fanolorana grady ho an’ireo polisy kaominaly vao noraisina tao amin’ny kaominina Ambohimangakely, ny alatsinainy lasa teo. Nanolotra izany tao an-toerana ny ben’ny tanàna ao ant-toerana, izay notronin’ireo mpiara-miasa sy tomponandraikitra isan-tsokajiny ao an-toerana.
« Tontosa soa aman-tsara ny fanolorana ny grady ho an’ireo polisy kaominaly teto anivon’ny kaominina. Ankoatra izay moa, nisy ihany koa ny fifamindram-pahefana teo amin’ny lehiben’ ny polisy kaominaly vaovao sy ny lehibe teo aloha. Ity farany izay notendrena amin’ ny andraikitra hafa » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Anisan’ny hery manohana ireo polisy kaominaly izao ary angatahana mba hisondrotra araka izay ihany koa ny fanatanterahan’izy ireo ny asa eo amin’ny fandaminana eto anivon’ny kaominina, indrindra ny eo amin’ny fandaminana ny lafin’ny fitaterana » hoy i Felana, mponina ao Ambohimangakely.
Fitaratra amin’ny filaminana ny fiasan’ny polisy kaominaly. Andraikitr’izy ireo tokoa ny mandamina ireo sehatra isan-karazany ao anatin’ny kaominina, toa ny tsena, ny fitaterana sy ny filaminan’ny vahoaka ka raha tontosa amin’ny atsakany sy andavany izany dia hilamina ny tanàna.
Manitra Ramanantsoa
