ActualitésTsidika

18 martsa : Andro iraisam-pirenena ho an’ny « recyclage »

Tontosaina isaky ny 18 martsa ny andro manerantany ho an’ny « recyclage » na ny fanodinana ny fako ho azo ampiasaina indray. Manampy betsaka amin’ny fitandroana ny fahadiovan’ny tontolo iainana ity paik’ady iray ity. Tsara sy mahomby tokoa ary azo atao eto amintsika.

« Fanomezana fiainana faharoa ireo fako tsy ilaintsika intsony ny recyclage. Tsy isika tokoa no mahantra fa mila ny fahaizantsika mikarokaroka manodina zavatra ny firenena. Ny kodiarana izao, betsaka no tsy mila azy intsony. Rehefa voakarakaran’ny hafa izy vao manenina isika tsy nanary azy » hoy i Ando, mpianatra mikasika ny tontolo iainana. « Ireo fako ela vao potika no tena tokony ho ahodina indray. Mampihena ny fako izany, indrindra ho antsika eto andrenivohitra » hoy i Hery, filohan’ny fikambanana iray miaro ny tontolo iainana.

Mila omena lanja ny fako. Ny zavatra tsy ilaina intsony no andeha avadika ho azo ilaina. Ny fitrandrahana ny manodidina no tena mahomby. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire