Politika : Manjavozavo hoe iza no miaraka amin’iza
Nanao fanambarana ny Antoko MMM fa tsy misaraka amin’ny antoko IRD izy ireo. Manohana hatrany ny fitondram-panjakana ankehitriny ary vonona hiara-hiasa hatrany.
« Isan’ny nampandany ny Filoha izahay. Manana solombavambahoaka ao anatin’ny vondrona IRD sy olona maro hafa ao anatin’ny fitondrana. Tsy afaka ny hisaraka amin’ny antokon’ny filoha izahay. Tsy hiaraka amin’ny mpanohitra velively ihany koa » hoy ny Filohan’ny Antoko, Andrinainarivelo Hajo. « Noesorina tao amin’ny governemanta ny antoko MMM. Tsy midika izany fa tsy manohana intsony izahay. Mitohy hatrany ny ezaka hampandrosoana ny firenena » hoy hatrany ny avy ao amin’ny antoko MMM.
Marihina fa Minisitry ny asa vaventy ny filohan’ny antoko tamin’ny governemanta farany teo ary nosoloina. Milaza ho momba hatrany ny fitondrana anefa izy ireo na izany aza.
Nicole Rafalimananjara
