Actualités

Niger : Nahenoana feom-basy teo akaikin’ny lapam-panjakana

Feom-basy mahery no re nandritra ny alin’ny 30 ka hatramin’ny 31 martsa lasa teo, tany Niamey, Niger, tao amin’ny toerana fitantanana akaikin’ny lapan’ny filoham-pirenena.  Fikasana saika hanongam-panjakana ity niseho ity, ary voafehin’ny mpiambina ny filoham-pirenena avy  hatrany izany. Tokony ho tamin’ny telo ora maraina, nisy poa-basy mahery vaika tany amin’ny faritry ny Fiadidian’ny Repoblika sy ny minisiteran’ny raharaham-bahiny, hoy ny naheno ity tranga ity. Ny sampanan-dalan’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny no ivon’ity fanafihana ity  , izay mbola nahitana bala sy akorandriaka ankehitriny. Toerana fitoraham-bato ao amin’ny lapam-panjakana ity toerna ity. Naharitra ny tifitra teo amin’ireo mpanafika sy ny mpiambina ny toerana ka nampitsaoka avy hatrany ireto mpanafika taorian’ny fampisehoana fitaovam-piadiana mahery vaika.

Laisser un commentaire