SocialTatitra

Sénégal : Mampitandrina amin’ny resaka fiaviana ara-poko ny fikambanana maro samihafa

Fikambanana mpiaro ny zon’olombelona marobe no mampitandrina ny amin’ny “ady ara-politika momban’ny fiaviana ara-pirazanana ao Senegal. Maneho hevitra izy ireo aorian’ny kabary marobe nataon’ny olo-tsotra, taorian’ny hetsim-panoherana nahafaty olona ary nanetsiketsika ny firenena tao anatin’ny raharaham-pitsarana nisy an’I Ousmane Sonko. Nandray fitenenana tao anatin’izany Rencontre Africaine pour la Defense des Droits des Hommes n any RADDHO, ny Amnesty International Senegal, ary ny ligin’ny zon’olombelona Senegaly, manamarika ny fanilikilohana ny olom-pirenena izy ireo, izay mifototra amin’ny fifandraisana ara-jeografika na isam-paritra. Nanamafy ihany koa izy ireo fa mitera-doza ny fampiasana ny resa-poko ao amin’ny tontolon’ny politika. Mampiasa izany ho fiantsiana amin’ny ady avokoa mantsy na ny eo amin’ny antokon’ny fahefana, na eo amin’ny antokon’ny mpanohitra. Hiteraka adim-poko izany raha tsy mitandrina ny mpanao politiaka hoy ireo fikambanana ireo.

Laisser un commentaire