Etats-Unis : Mpamorona fiara avo lenta mandeha amin’ny herinaratra ny Tesla
Tamin’ny taona 2003 no niorenan’ny Tesla Motors, izay manana ny marika fanta-daza amin’izao fotoana izao ny « Tesla ». Ry Martin Eberhard sy Marc Tarpenning no namorona azy ny 01 jolay 2003. Ny fanamboarana fiara mandeha amin’ny herinaratra, manaraka ny fivoaran’ny teknolojia no tena mampiavaka azy.
Ian Wright no mpiasa fahatelo nanatevin-daharana tao amin’ny Tesla, volana vitsivitsy taorian’ny niforonany. Ny fiaraha-miasan’izy telo no nahangonany $7.5 tapitrisa ny volana febroary 2004, izay voaangona tamin’ny famatsiam-bolan’ny « Série A » sy ny mpampiasa vola isan-karazany, anisan’izany i Elon Musk, izay nandrotsaka 6,5 tapitrisa USD. Izy ireo araka izany no lasa « cofondateurs » tao amin’ny Tesla, fotoana fohy taorian’izay fiaraha-miasa izay.
Hatrany am-piandohana, Elon Musk, no efa nametraka ny tanjon’ny Tesla, dia ny tsy hijanona amin’ny famokarana fiara elektronika fotsiny ihany, fa hanomboka hatramin’ny fanamboarana fiara raitra voatokana mankany amin’ny fiara ho an’ny daholobe.
