SportTatitra

Autriche : I Hannah Schmitz no mpamolavola paik’ady ao amin’ny Red Bull

Marary andoha mihitsy ny tifosi (ireo mpankafy ny Scuderia Ferrari) sy ny injeniera ao amin’ny Ferrari amin’izao, eo amin’ny taranja Formule 1. Atidoha iray, vehivavy iray, no mahatonga izao aretina rehetra izao.

Raha mifanesisesy ny fandresen’ny ekipan’ny RedBull dia tsy noho ireo mpifaninana ihany fa noho ny fiasan’ny ekipa stratejikany ihany koa, izay tarihin’i Hannah Schmitz. Ity ny farany no anisany nitondra an’i Max Verstappen sy Sergio Pérez tamin’ny fandresena.

I Hannah Schmitz dia injeniera stratejika fototra, izay mandray fanapahan-kevitra mitondra ny Oracle Red Bull Racing amin’ny fandresena ombieny ombieny. Maminavinana, ary manomana sy mikajy, ny zavatra mety hiseho manadritra ny herinandrom-pifaninanana rehetra izy, ary efa manomana ny paik’ady rehetra mifanaraka amin’izany.

Laisser un commentaire