PolitiqueTatitra

Canada : Nanapa-kevitra ny hanatsahatra ny fandefasana fitaovam-piadiana an’i Israely

 Hanatsahatra ny fandefasana fitaovam-piadiana ho an’i Israely i Canada, araka ny fanambarana nataon’ny Minisitry ny raharaham-bahiny ao an-toerana, Mélanie Joly, ny talata teo. Ny alatsinainy teo, nandritra ny fivorian’ny parlemanta kanadianina, dia namoaka fehin-kevitra ho fanohanana  ny fampitsaharana ny ady faran’izay haingana sy fampitsaharana ny fandefasana ireo fitaovam-piadiana mankany Israely. « Ao anatin’ny toe-javatra izay tsy tokony hanondranana fitaovam-piadiana intsony izao fotoana izao » hoy ny avy amin’ny governemanta kanadianina. Hatramin’ny 7 oktobra, fotoana nanombohan’ny ady teo amin’i Israely sy Hamas, dia ireo fitaovam-piadiana tsy mahafaty no nahazo fankatoavana sy fahazoan-dalana ho an’i Israely. Noho ny fihitaran’ny zava-misy kosa anefa, dia tsy nahazo alalana intsony izany, nanomboka ny volana janoary, hoy hatrany ny fanazavana.

Laisser un commentaire