Seychelles : Mila hafainganina ny fanavotana ny « zwazo linet »
Vorona tsy misy ankoatra ny ao Seychelles ny zwazo linet na « oeil blanc ». Isan’ireo biby atahorana ho lany tamingana izy ka nampidirina tao amin’ny lisitry ny biby tandindon-doza ka mila fiarovana nanomboka ny taona 2009. Toy ireo voron-kely maro kosa dia ny voalavo no fahavalony laharana voalohany ary isany mandripaka azy. Voakasika indrindra izany ireo zwazo linet ao amin’ny nosy Mahé.
Manoloana ny tranga kosa dia nanao fanairana Perley Constance izay mpiambina sy mpitarika mpizaha-tany ao amin’ny nosy. Nandritra ny asany indrindra no nahitany fa mihena an’isa io vorona io. Nilaza ny tenany fa mila hamafisina ny fanavotana ny zwazo linet izany. Marihana nefa fa efa an-taonany maro ireo « ornithologie » sy ny ministeran’ny tontolo iainana tao amin’ny nosy no manaramaso io vorona io saingy tsy nanao fanambarana manoloana ny maha tandindon-doza fatratra azy.
