Sport extrême : Tsy natao ho an’ny olona rehetra
Fanatanjahantena maherihery setra ny « Sport extrême », mety mampididoza, mandratra ary mitarika hatramin’ny fahafatesana izany raha tsy voafehy. Ireo olona sahisahy sy mantanjaka ara-batana noho izany no tena mpanao azy. Mitaky hakingana sy fitandremana ihany koa nefa izany.
Raha ny fantatra tany amin’ny taona 1950 no nipoiran’io teny « Sport extrême » io. Tao amin’ny andian-teny ny mpanoratra tantara amerikana Ernest Hemingway no nakàna izany. Tamin’izany fotoana dia fanatanjahantena telo ihany no voasokajy tao amin’ny « Sport extrême » : ny « tauromachie » (karazana tolon’omby), « course automobile » ary « alpinisme». Nivotra kosa izany taty aoriana ary nanomboka ny taona 1970 sy 1980 dia nampidirina tao amin’io sokajy io avokoa ireo fanatanjahantena rehetra mety mahafaty miteraka loza raha misy ny fahadisoana.
Maro karazany io karazana fanatanjahantena io, azo atao any anaty rano io, eny an’habakabaka, ety an-tanety izany. Isan’izany ny Base Jump ; BMX ; Bodyboard ; Deltaplane ; Escalade ; Freeride VTT ; Freerun ; Highline ; Kayak de rivière ; Kite surf ; Parachutisme ; Parapente ; Parkour ; Plongée en apnée ; Plongeon de haut vol ; Skateboarding ; Ski de pente raide ; Planche à voile ; Course automobile ; Moto motocross…
