Ambohimanga Rova : Notolorana fanampiana sy fanohanana ireo fiangonana tao an-toerana
Fiangonana miisa telo, tao amin’ny kaominina Ambohimanga rova no notoloran’ny filohan’ny antenimierandoholona, Herimanana Razafimahefa sy ny mpanolo-tsainan’ny filoham-pirenena Malagasy, ny jeneraly Richard Ravalomanana, fanampiana sy fanohanana, ny alahady teo. Torimarika nomen’ny filoham-pirenena, Andry Nirina Rajoelina, taorian’ny fambolen-kazo notanterahina teny Ambohimanga ny asabotsy 25 martsa lasa teo, no nanaovana izao hetsika izao, raha ny voalaza.
« Manoloana ny fitarainan’ny mponina eto an-toerana amin’izao fotoanan’ny maitso ahitra izao dia nisy ny fanolorana vary ho an’ny fiangonana teny Ambohimanga sy ny manodidina, entina hanampiana sy hanohanana azy ireo » hoy ny filohan’ny antenimierandoholona.
« Ankoatra izany, misy ny ezaka fanitarana fiangonana izay ataon’ny FJKM Andakana, ka nisy ny fanolorana fanampiana ara-bola ho fanohanana izany ezaka fanitarana izany. Anisan’ny ezaka atao ao amin’ny FJKM Imeritsiafindra kosa ny hametrahana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Nisy ihany koa arak’izany ny fanolorana fanampiana ara-bola ho fanohanana izany ezaka famatsiana jiro ny fiangoanana izany » hoy hatrany ny fanazavana.
Vary roapolo (20) lasaka tsirairay avy ho an’ireo fiangonana telo tao an-toerana moa no natolotra nandritra izany. Zava-dehibe ho an’ny fiangonana ny fandraisana izao ary miandry ny fanampiana sy ny fanohanana ihany koa ireo avy amin’ny fiangonana hafa.
Manitra R.
