Faritra Androy: Nanaiky ny programan’asa hanatsaharana ny fanambadiana aloha loatra
Dépêche 04 avril, 14h, Nisy ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny FID sy ny METFP hahafahana mamongotra ny fanambadiana ny vehivavy aloha loatra. Hotanterahina any amin’ny faritra Androy iny izany programa izany. Nanaiky ny hiara-miasa amin’izy ireo araka izany ny Sojabe any an-toerana. Ny tena anjara asan’ireo Sojabe amin’izany dia fanentanana ny vahoaka ny hanajanonana ny fady mba tsy hampanambady ny zanany vavy aloha loatra. Hiantoka ny fanofanana arak’asa ny tanora sy ny ray aman-dreny ary indrindra ny vahoaka marefo any amin’ny faritra ny METFP ao anatin’izany.
