Dépêches

Toetr’andro: Ahitana fikorontanana mialohan’ny hidirana amin’ny vanim-potoan’ny fararano

Dépêche 26 avril, 13h, Anatin’ny vanim-potoana famaranana ny fahavaratra izao ny eto Madagasikara. Araka izany dia mety hisy ny oram-baratra arahana tselatra ary havandra mandritra izany ka tsy tokony hahataitra. Ity herinandro ity no fantatra fa herinandro farany amin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra ary hiditra amin’ny fararano indray ary hanaraka eo ny ririnina. Efa mila miomana amin’izany araka izany ny tsirairay. Ny volana martsa sy ny aprily dia nahitana fikorotanan’ny toetr’andro na “variabilité climatique” indrindra ny tany amin’ny tapany atsimon’ ny Nosy. Io fikorotanana io no antony mahatonga ny oram-baratra arahana havandra izay hita tany amin’ny faritra samihafy teto Madagasikara tao anatin’ny roa herinandro lasa teo. Marihina fa tsy misy ahiana intsony ny fidiran’ny rivo-doza.

Laisser un commentaire