Haïti : Olona maro ahiahiana no mpikambana ao amin’ny « gang » no novonoina sy nodorana
Ny alatsinainy 24 aprily teo dia andian-jiolahy maro no niditra an-keriny tao amin’ny tanàna samihafa tao Port-au-Prince. Nanafika ny mponina ary nandroba trano fonenana izy ireo raha ny fanazavana. Manoloana izany dia nahetsika ireo manam-pahefana ary nahasambotra olona nitam-piadiana maromaro.
Am-polony tamin’ireo olona vosaambotra ireo nefa no niharan’ny hatezeran’ny vahoaka. Novonoin’ireto farany ary nodorany velona tao amin’ny tanàn’i Port-au-Prince ny alatsinainy teo ihany ny ankahamaroan’izy ireo raha ny tatitra. Tsy nanazava ny fomba nahatongavn’ireo voarohirohy ireo teo am-palantanan’ny vahoaka kosa ireo manam-pahefana.
Niahiahy amin’ny zava-misy ao Haiti kosa ny ONU raha ny tatitra nataon’izy ireo. Mirongatra ary mety hitovy lenta amin’ny fifandiranana any amin’ireny firenena an’ady ireny ny fandriam-pahalemana mitam-piadiana ao amin’ity firenena ity.
