Akamasoa : Ny serasera sy ny fifanampiana dia efa ahafahana manampy ireo mponina ao
Ny fidandraisana sy ny serasera izay hananan’ny Mompera Pedro Opeka no ahafahana manampy ireo mponina aoa anatin’ity akany lehibe indirndra eto Madagasikara ity. Hatramin’ny niforonanay dia tsy mbola nanambola betsaka afaka nihodinana izy ireo fa teo hatrany ireo olona nanampy sy nanohana ity Ray aman-dReny am-panahin’ny olona maro be ity. Amin’izao fotoana izao moa dia maherin’ny 10 000 ireo ankizy mipetraka ao. Ny fiserasera sy ny fanakasitrahana amin’ny asa vitan’i Mompera Pedro Opeka no tena antony lehibe mbola mampiodina ity akany ity.
« Ankoatra ireo fanampiana avy amin’ny Filoham-pirenena indraindray. Olon’ny fiaraha-monina i Mompera ka misy ireo olona te hanampy fotsiny dia mnolotra izay voatsirambin’ny tanany. Eo ihany koa ireo izay manakasittra an’ny Père Pedro ka manolotra fanampiana isan-karazany. Dia izay no entina mampiodina ny toerana, eo ihany koa anefa ireo asa isan-karazany hataon’ireo olona mieptraka anatin’ny akany ka ireny koa no ahafahan’izy ireo mivelona », hoy i Lova, tompon’andraikitra ao amin’ny Akamasoa.
Farany teo, nanoloana ny fankalazana ny Eid El Fitr an’ny finoana Silamo dia nisy ny fanolorana fanampiana ho an’ny Akamasoa avy amin’ny Fikambanana INVISO. « Marika ny fifandraisana tsara sy ny finamanana ny fanomezana izay natolotra. Eo ihany koa ny kolontsain’ny fizarana nandritra ny Eid El fitr », hoy i Shaïma Ismaël Mohaboubaly, mpitarika ny fikambanana.
Ny fampisakafoanana ireo ankizy kely no tena laharam-pahamehana amin’ireny fanomezana ireny. Manodidina ny 11 000 amin’izao fotoana izao ireo ankizy misakafo ao amin’ny « cantine ». Mbola mandray ny fanampiana sy ny fanohanana rehetra izy ireo. Laharam-pahamehana amin’izany ihany koa ny fahasalamana raha manana ny hatolotra amin’izany ianao.
Miora Raharisolo
