Dépêches

Amoron’I Mania: Notolorana fampitaovana hiadiana amin’ny andiam-balala

Dépêche 26 avril, 14h, Nahazo fitaovana hidiana amin’ny andiambalala avy amin’ny Minsiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ny faritra Amoron’I Mania. Vanim-potoan’ny andiambalala tokoa amin’izao fotoana izao ka izany indrindra no anton’ny fampitaovana. Velaran-tany maro amina kaominina anatin’ny faritra Amoron’ i Mania no nisitraka fitaovana sy fanafody hoenti-miady amin’ny andiam-balala. Natao indrindra moa izany mba hiarovana ny fambolen’ny tantsaha, toy ny vary, sy voanjo izay misongadina any amin’iny faritra iny. Ny tanjona lehibe indrindra amin’izany dia ny hahafahana manatratra ny tanjona amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Laisser un commentaire