Dépêches

Foto-drafitr’asa: Efa mandeha ny fanarenana ny lalana ao amin’ny Distrikan’Ikongo

Dépêche 26 avril, 15h, Toerana azo lazaina ho lavitra andriana I Ikongo ka vitsy mpitsidika. Zary lasa mitokamonina ihany koa izy noho ny faharatsian’ny lalana. Araka izany dia efa mandeha ny fanarenana ny lalana ao anatin’ny Ditrika. Ny tanjona amin’izany dia mba hahafahana manatsara ny fifamezivezena sy ny fitaterana ary ny fifandraisana amin’ny Distrika hafa. Ny asa izay ho atao di any fanarenana ireo simba amin’ny lalamby Fianarantsoa Côte Est sy ny fanamboarana ireo tena ratsy amin’ny lalam-pirenena faha 14. Mponina marefo mipetraka amanodidina ny toerana hamboarina ihany no miasa amin’ny fanarenana izany lalana izany ary miandahy amam-bavy mihitsy izany. Miasa mandritra ny 20 andro ireo olona ireo ary ora dimy isan’andro amin’ny sarany 6 000Ariary. Ho fanampiana ireo mponina ireo dia misy ihany koa ireo asa azon’izy ireo hatao ao anatin’ny Distrika no natolotra azy ireo ny fanatanterahana azy ka handraisany karama.

Laisser un commentaire