Bekily: Tantsaha miisa 60 nahazo fanamafisam-pahalalana mahakasika ny fiompiana
Dépêche 27 avril, 14h, Anisan’ny toerana hahafahana mampiroborobo ny fiompiana trondro I Bekily ka izany indirndra no nanolorana fampiofanana ireo tantsaha. Mahakasika ny fiompiana trondro no nanamafisana ny fahalalan’izy ireo ny 25 aprily teo. Nozaraina tamin’izy ireo nandritra izany ny toro lalana fototra mikasika ny fiompiana trondro izany hoe ny fifidianana ny toerana hanaovana ny fiompiana, ny fomba fanamboarana dobo sy ny fikarakarana ny dobo vita, ny fampidirana rano sy ny fomba fanamasahana rano na « fertilisation ». Niara-dalana tamin’izany ihany koa ny mahakasika ny fikarakarana ireo zana-trondro sy ny tokony kalitaon’ny rano mety amin’ireo trondro ary ny mahakasika ny sakafo tokony homena azy ireo. Tsy ambakan’izany ny fanaraha-maso ireo zavatra rehetra ireo rehefa tena mandeha ny fiompiana
