Fanabeazana: Mpampianatra an-jatony nisitraka fanamafisam-pahalalana.
Mpampianatra miisa 186 no nisitraka fanamafisam-pahalalana tao amin’ny von-toeram-piofanana rezionaly ara-pedagojia Antsirabe. Naharitra herinandro izany fampiofanana izany ary ireo mpampianatra mpiofana amin’ny fiofanana ampitain-davitra no nisitraka izany. Ny tanjona tamin’izany moa dia ny hanatsarana hatrany ny fampianarana.
“Maro ireo fahaizana tsy maintsy namafisina ho an’ireo mpampianatra ireo satria ny tanjona lehibe dia ny hampiakatra ny kalitaon’ny fampianarana. Tanjon’ny fampiofanana ny hanomezana tari-dalana sy hanamorana ny fampianaran-tena mikasika ny « Didactique de français”, “APSE” , Garabola, “ECA-EMEA”, ny fomba fampianarana sy ny fanatanterahana fanadinana fanombanana (évaluation à mi-parcours) ho an’ny taranja efa vita, ary ny fanatsarana ny fahaizana teny frantsay na « Perfectionnement linguistique français », ny « TICE » ary ny « Psychopédagogie » sy ny « REGAS », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.
Naharitra herinandro ny fampiofanana ary hisy ho entin’ireo mpampianatra any amin’ny fizaran’asa izany. “Adidy masina ny fampianarana ka tsy maintsy miofana ihany koa aloha vao afaka manolotra sy mizara ny tsara ho an’ny taranaka any afara. Ny kalitaon’ny fampianarana izay efa ambany amin’izao fotoana izao noho ireo mpampianatra sasany tsy ampy fampiofanana”, hoy ny solontenan’ireo mpampianatra mpiofana.
Efa fampivondronana fahatelo natao an’ireto mpampianatra ireto iny fampiofanana farany teo iny. Hinoana ny hitondrany soa ho an’ireo Sekoly izay nihaviany tsirairay. Mbola maro ihany koa ireo lesoka mila harenina anatin’ity fampianarana ity eto Madagasikara, indrindra any amin’ireo sekoly tsy miankina sasany.
Miora Raharisolo
