Tsy fanjarian-tsakafo : Hanampy an’i Madagasikara hahaleo tena ara-tsakafo ny FAO, ny PAM ary ny FIDA
Hanamafy ny fanohanana ny hetsika amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fanatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ny FAO, ny PAM ary ny FIDA. Laharam-pahamehana ho an’ny fitondrana Malagasy tokoa ireo hotohanan’ireto Sampan-draharaha telo momba ny sakafo ireto.
« Mifanindran-dalana amin’izany fanampiana ara-tsakafo izany koa ny fanamafisana ny fanampiana ny fitondram-panjakana amin’ny ezaka entina hampandrosoana ny sehatry ny fambolena. Anisan’izany ny fanitarana ireo toeram-pambolena sy ny fametrahana fotodrafitrasa fanondrahana sy famatsian-drano any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy » hoy ny Fitondram-panjakana.
« Hisy ny hetsika ho fanohanana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’ny tokantrano. Izany dia ho atao mandritra ny fanarenana ireo toeram-pambolena ravan’ny rivo-doza » hoy ny avy ao amin’ny PAM. Hisy koa ny fanatanterahana ny drafitra nasionaly ho an’ny fanarenana ny faritra Atsinanana sy Atsimo Atsinanana izay nandalovan’ireo rivodoza nisesy.
Mihamafy hatrany ny fifandraisana amin’ny firenena any ivelany. Misokatra hatrany amin’ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany i Madagasikara.
Nicole Rafalimananjara
