ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mitohy ny fametrahana ireo jiro manazava ny tanàna

Mitohy ny famerahana ireo jiro mandeha amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Ny faran’ny herinandro teo, ny lalana manamorona ny lalam-pirenena fahatelo indray no nametrahana izany, araka ny voalaza.

“Hisaorana hatrany ny orinasa Jirama amin’ny fiaraha-miasa ka nahatanteraka indray ny fanoloana sy fametrahana ireo jiro manazavana amin’ny andrin-jiro manamorona ny lalam-pirenena fahatelo sy ireo lalana mamakivaky ny tanàna eto amin’ny kaominina. Izany moa tafiditra hatrany ao anatin’ny tetik’asa Hazavana ho an’ny rehetra izay an’ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny ministera misahana ny angovo sy ny akoran’afo” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Tena mety amin’izao fotoana mahabe ny delestazy izao ny fametrahana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ity. Tokony ataon’ny tomponandraikitra ezaka ny fametrahana izany manerana ny fokontany, indrindra ireo faritra tena maizina satria anisan’ny mampirongatra ny asa ratsy, fanendahana ny tsy fisian’ny jiro eny anelanelan-trano eny” hoy i Léon, mponina ao Ankadikely Ilafy.

Taratry ny fandrosoana ny hazavana. Anisan’ny manao izany ho laharam-pahamehana ny tomponandraikitra ao amin’ity kaominina ity. Ao anatin’izany anefa, ilaina ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay amin’ny fikojana azy ireny, indrindra tokony ho sarotiny raha misy ireo tia kely, manongotra na mangalatra azy ireny satria fananana iombonana.

Manitra R.

Laisser un commentaire