ActualitésTsidika

Haitao : Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpanao asa tanana sy ny solontenan’ny koperativa

Miroso amin’ny dingana voalohany ho tohin’ny fiaraha-miasa ny Minisiteran’ny Haitao sy ny Asa tanana, ny foibem-pitondrana ankapobeny ny Hetra, ny tahirim-pirenena malagasy misahana ny fiainana ara-tsosialy ary ny banky BNI. Tsiahivina fa efa tontosa ny 17 janoary 2022 lasa teo ny fifanaovan-tsonia.

« Naroso aloha ny dingana voalohany. Natomboka tamin’ny fihaonan’ny solontenan’ny kaoperativa sy fikambanana mpanao asa tanana izany » hoy ny Minisitry ny Haitao sy ny Asa tanana, Ratsiraka Sophie. « Manampy betsaka ho anay mpanao asa tanana izao hetsika izao. Niaina krizy tokoa mantsy izahay nandritra ireny covid-19 ireny » hoy i Helène, mpanao asa tanana.

Tombony ho an’ny mpanao asa tanana ny fidirana amin’ny ara-dalàna. Ireo manara-dalàna ihany mantsy no afaka misitraka ny fanampiana avy amin’ny fanjakana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire