ActualitésTsidika

Jirama : Manolotra vahaolana ahafahana mampijanona ny fahatapahan-jiro matetika

Antony maro no mahatonga ny fahatapahan-jiro mifandimby eto Antananarivo sy any amin’ny faritra maro. Anisany amin’izany ny fanatsaharan’ny orinasa Henri Fraise et Fils ny milina mpihary herinaratra ho an’ny any amin’ny faritra. Ho an’ny Antananarivo kosa dia eo ny tsy fandoavana ny trosa. Araka izany dia misy ireo vahaolana naroson’ny orinasa Jirama ahafahan’ny tsirairay samy misitraka ny fahazavana avy.

« Efa misy ny vahaolana anatiny raisina di any fitsitsiana ny solika hampiasaina noho ny tsy fahatakarana ny fividianana izany satria tsy ampy ny vola mihodina. Araka izany dia tokony haloan’ireo orinasa ny trosany tsirairay. Eo ihany koa ny fidirana amin’ny prépaiement. Ankoatra izany anefa dia vahaolana lavitra ezaka ny fanafainganana ny fametrahana foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro miisa 37 amin’ny distrika 37 mba hialàna amin’ny fiankinan-doha amin’ny solika », hoy Minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Andriamanampisoa Solo.

Mbola vahaolana naroso ihany koa ny fametrahana foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro eto amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo. Anisan’ny hanomboka atsy ho atsy ny 20MW ao Moramanga. Ankoatra ny masoandro anefa dia mbola maro samihafa ireo angovo azo trandrahina eto Madagasikara ka tokony tsy hanolotra ala-olana isaky ny miteny ny orinasa. « Mety ho anisan’ny olana ny tsy fandoavana ny trosa. Eo ihany koa anefa ny fanafenana ireo olana samihafa ao anatin’ny orinasa. Tokony harenina farany izay haingana io olana io tsy hiverenan’ny olana samihafa indray. Eo ihany koa ny vidin-jiro izay mampitaraina ny mponina ny halafony kanefa ny jiro efa tapatapaka matetika ka tokony heverina avokoa izany », hoy i Solofo, mponina eny Soavimasoandro, toerana ahitana fahatapahan-jiro matetika.

Efa taona maro no olana hatrany ny famatsiana herin’aratra izay efa voaresaka matetika ny fikaroham-bahaolana. Amin’izao fotoana izao araka izany dia tokony efa asa vitsy sisa no tokony, aiza anefa izany ? Mbola mila mikaroka vahaolana hafa indray ve izany ?

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire