Ambohimanambola : Mbola mitohy ny fanentanana ny mponina hampiasa ny service Raoka Fako
Rafitra iray ao anatin’ny fitantanana ny rano ny servisy Raoka fako, ao amin’ny fokontany Gara, kaominina Ambohimanambola, ity rafitra ity no mpandrindra ny fitantanana ny fako ao an-toerana. Ny ankabeazan’ny tokatrano ao amin’ity fokontany ity no mampiasa izany, raha mbola mitohy kosa ny fanentanana ho an’ireo tsy mbola misitraka.
« Tokatrano miisa 457 izao no mampiasa ny servisy raoka fako eto amin’ny fokontany gara. Mbola misy 170 kosa ireo tsy mampiasa izany ka hanentanana azy ireo hanjifa satria tombotsoa maro no azo amin’ny fampiarana ity servisy ity » hoy ireo tomponandraikitra mpitantana.
« Tena mahatsapa ho afa-pahasahiranana ny fampiasana ity servisy ity. Ny hirariana mba hiatsara hatrany ny fampiarana izany ary hihitatra amin’ireo fokontany rehetra satria tombotsoa iombonanna ny fikajiana ny fahadiovan’ny tanàna » hoy i Harisoa, mponina ao Ambohimanambola.
Tolotra maro moa no omen’ity servisy ity izay azon’ny rehetra hisafidianana araka ny fahafahan’ireo mpanjifa, fa ny tanàna madio, tokotany madio ary lalana madio no vokatra andrasana ary tanjon’ny servisy ny hisitrahan’ny tokatrano rehetra izany.
Manitra R.
