ActualitésTatitra

Mayotte : Naato ny fandravana ireo bidonville

Mbola ao anaty ny savorovoro ny hetsika « Wuambushu » i Mayotte amin’izao fotoana. Hetsika izay nokarakarain’ny governemanta frantsay hiadiana amin’ny heloka bevava sy ny fifindra-monina tsy ara-dalàna ao an-toerana. Tokony hatomboka tamin’ity herinandro ity amin’ny alalan’ny fandravana ireo tanàna bidonville izany hetsika izany saingy naato.

Mponina maro ao amin’ireo bidonville ireo izay nosoloana mpisolovava am-polony no nampiantso ny mpitsara (juge des référés) tao Mamoudzou. Manoloana izany dia namoaka didiy fampiatoana ny fandravana ny tanàna ny fitsarana ny alatsinainy alina teo. Nilaza ireo tompon’andraikitra ireo fa sarotra ny handrava trano samihafa ary tsy hahakasika ireo trano hafa tsy voakasiky ny hetsika.

Laisser un commentaire