Tontolo iainana : Hisy ny hetsika hiarovana sy hanaraha-maso ireo zana-kazo nambolena
Efa nanomboka ny 19 janoary 2023 teo ny vanim-potoana fambolen-kazo manerana ny Nosy. Amin’izao fotoana izao dia eaf maro ireo orinasa, sampan-draharaham-panjakana, fikambanana sy ny maro hafa no nadray najara tamin’izany fambolen-kazo izany. Hita anefa fa mbola tsy mahatohitra ny fanapahana ala sy ny fanimbana alai zany. Araka izany dia hisy ny hetsika natao indirndra hiarovana sy hanaraha-maso ireo zanak’azo nambolena.
« Hanomboka ny 5 mai ho avy izao ny hetsika fanaraha-maso ireo zanak’azo izay nambolena ireo. Hatramin’izay dia mazoto sy miezaka avokoa ny olona tsirairay mamboly hazo kanefa eo ihany koa ireo mbola minia manimba ny ala. Manoloana izany dia tsy maintsy harahi-maso akaiky ireo zanak’azo mba hahatomombana sy hahatonga azy ireo haniry tsara araka ny filàna », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny ala sy ny tontolo iainana.
Raha tsiahivina dia 68% tamin’ireo zana-kazo nambolen’ny Ministera irery ihany no naniry ny taona 2022. Noho izany dia ny fandraisana andraikitry ny tsirairay no vahaolana amin’ity olana ity, eo ihany koa ny fahatongavan-tsaina.
« Efa voaresaka hatramin’izay ny mahakasika ny fambolena hazo. Ilay mamboly vita ihany fa ny manara-maso ny faniriany hatrany no atao ambanin-javatra. Izany anefa no tena zava-dehibe anatin’ny fambolena. Miaraka amin’izany ihany koa ny fijerevana ny hazo tokony haniry eo amin’iny tany iray iny. Efa maro ny fikambanana afaka manara-maso izany satria mety tsy ho vitan’ny vondron’olona ifotony izany. Inona moa ny maha-ratsy ny fiaraha-miasa raha mitovy ny tanjona », hoy ny solontenan’ireo fikambanana mpiaro ny tontolo iainana.
Ankoatra ny fambolena eny amin’ny tanin’ny fanjakana dia anisan’ny mandray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ihany koa ny fambolena hazo ao amin’ny tanàna misy ny tena. Mahomby kokoa raha hazo fihinam-boa izany ary hatao tsara karakara.
Miora Raharisolo
