Dépêches

Fandriam-pahalemana : Olona miisa 6 tratra nitazona sy nitondra ary nivarotra rongony

Dépêche 26 avril, 12h, OLona miisa enina indray no tratra nitazona , sy nitondra ary nivarotra rongony. Tambazotra iray mihitsy izy ireo ary efa miandahy miambavy no manao izany asa ratsy izany. OLona iray milaza tompona moto tsy misy taratasy no nahiahiana ka nanaovana fanadihadiana. Tratra avy hatrany teny aminy ireo rongony miisa 58 fonosana, milanja 265 grama. NRahefa nosokafana ny fanadihadiana dia fantatra fa lehilahy sy vehivavy iray hafa, izay mpisakaiza, mpampiasa ary naniraka ilay lehilahy iray voasambotra voalohany no tratra ihany koa. Rehefa nosavaina ny tranon’ireto farany dia mbola nahatrarana voan-drogony milanja 24 grama. Voasambotra tao Mahavoky Besarety, Antananarivo ihany koa ny lehilahy 3 hafa, mpamatsy sy mpivarotra ary mpaninjara ireo rongony ireo. Marihina fa mpamatsy rongony mitety ambanivohitra ao Ambatolampy izy ireo. Ny mpivarotra dia tokony hosamborina ary ny mpividy sy ireo tanora ihany koa dia tokony beazina ny amin’ny voka-dratsin’ny rongony amin’ny vatany.

Laisser un commentaire