Raharaha Ikongo: Hatsangana ny vaomiera hanadihady ny marina tamin’ny raharaha.
Dépêche 16 novembre, 14h30, Lany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny mikasika ny fananganana vaomiera mpanadihady mahakasika ilay toe-draharaha niseho tao Ikongo ny 29 aogositra 2022 teo. Namoizana ain’olona maro iny raharaha iny ary hatramin’izao tsy mbola fantatra ny tena marina. Ireo tompon’andraikitra aoa n-toerana ihany koa mbola tsy mahasahy milaza fa manana ny marina ka izay no antony hananganana ity vaomiera ity. Hikaroka ny marina mahakasika ity toe-draharaha ity mba tsy hiverenan’ny zavatra toy ireny intsony no antony nananganana izany vaomiera izany.
