ActualitésTatitra

Comores : Nahazo fanampiana ara-materialy avy amin’i Chine

Nanolotra fanampiana ara-materialy ho an’ny DGSC (Direction Générale de la Sécurité Civile) tao Comores ny ambasadin’i Chine ao an-toerana. Fitaovana informatika sy kodiarandroa no natolotra tamin’izany.

Entina hanatsarana sy hanamorana ny asa hifotony sy ny tontolon’ny informatika ireo fitaovana ireo hoy ny mpanolotsaina ara-diplomatikan’i Chine, Bing Hu, nisolo tena ny masoivoho. Nampatsiahy kosa ny tale jeneralin’ny DGSC, kolonely Takfine Ahmed nandritra io fampitaovana io fa isany firenena voalohany nankatoa ny fahaleovantenan’i Comores i Chine ary isan’ireo nifandray ara-diplomatika taminy voalohany tamin’ny alalan’ny fametrahany ny ambasadiny tao Moroni.

Laisser un commentaire