ActualitésTsidika

Jirama : Novolavolaina ny fandaharan’asa hanavaozana ny orinasa

Amin’ny maha orinasam-panjakana ity orinasa ity dia namolavola fandaharan’asa hanavoazana izany ny fitondrana. Atolotra eo anivon’ny filan-kevitry ny minisitra izany ka miandry ny fankatoavan’izy ireo sisa miaraka amin’ny teti-bola ilaina amin’izany. Tokony ho amin’ity volana desambra ity izany no ho vita.

« Tafiditra ato anatin’ity fandaharan’asa ity ny mahakasika ny fahatapahan-jiro lava reny sy ny fanavaozana ny jiro eny amin’ny tanàna tsirairay. Hisitraka izany hazavana izany avokoa ny faritra maro na ireo any ambany vohitra aza ka manamorona ny lalam-pirenena. Anisan’ny asa goavana ho atao izany », hoy ny Minisitry ny angovo.

« Tafiditra ao anatin’ny asa ihany koa ny fampidirana ny olona hampiasa ny “tarif optima”, izay tena mampihena ny fandaniana. Haraha-maso ny fampiasana ny hosoka sy ireo mpisontona jiro avy amin’ny tokan-trano hafa. Efa asa efa natao izany fa mbola maro anefa no tsy voatsirika ka hitombo ny fitsirihana mba hialana amin’ny vola tokony hidditra amin’ny orinasa izay mihena hatrany », hoy hatrany ny fanazavana.

« Izaho aloha mahita hoe misy foana ny fandaharan’asa fanavaozana dia mividy milina dia maka fitaovana vaovao saingy ny delestage eo foana. Tokony izany aloha no hitadiavana vahaolana maharitra fa maro ny asan’ny olona no miankina amin’ny jiro avy amin’ny Jirama », hoy i Ferdinand, mponina ao Itaosy, toerana ahitana olana matetika amin’ny resaka jiro.

Raha jerena ny tatitra dia mbola manana trosa mitentina 1 257 miliara ariary ny orinasa Jirama. Mety hoe misy fitondrana tsy mazava loatra eo anivon’ny orinasa saingy samy tompon’andraikitra avokoa na ny olon-tsotra tsy mampiasa afatsy ny jiro irery ihany aza. Ankoatra izany anefa dia mila fanavaozana tanteraka na ny fomba fiasa anatiny na ireo fitaovana ampiasaina.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire