ActualitésTsidika

Ambohimanga Rova : Nisehoana trangan’aretina hafahafa teo amin’ireo mpianatry ny CEG

Ankizy am-polony, iray kilasy, tao amin’ny CEG Ambohidrazana, ao amin’ny kaominina Ambohimanga Rova no nisehoana tranga hafahafa, ny fiandohan’ny herinandro teo. Niara nihetsika ireo mpianatra ary mihinjitsindritra, mamay be ny hatoka ary mivadika mena be ihany koa ny mason’izy ireo, araka ny voalaza. Nisy ny fitondrana azy ireo teny amin’ny tobim-pahasalamana taorian’izay.

« Tranga mahalasa saina ary mampanahy ny nahazo ireo mpianatra, ary mampametra-panontaniana ny maro. Tsy hay izay tena antony mazava mahatonga ny tranga toa izany satria tsy vao izao no nitrangan’izany fa efa nisy tany aloha » hoy ireo nanatri-maso.

« Mila jerena akaiky ny mahakasika ny tranga toa izao, ary tokony samy mailo avokoa na ny mpianatra na ny mpanabe, indrindra fa ny ray aman-dreny. Be loatra ny tranga miseho hafahafa tato ho ato ka tokony samy mailo sy hanara-maso avokoa ny tsirairay » hoy i Faratiana, mponina ao Ambohimanga Rova.

Marihina moa fa rehefa nentina namonjy toeram-pitsaboana ireo mpianatra ireo dia voalazan’ny mpitsabo fa vokatry ny tsy fahampian’ny rivotra tao amin’ny efitrano fianarana sy ny hafanana no nahatonga ny tranga. Efa tsy misy ahiana ny fahasalaman’izy ireo amin’izao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire