Inona no mahasamihafa ny « bus class » sy ny fiara fitateram-bahoaka hafa?
Nanomboka tamin’ny 9 ora maraina tamin’ny alatsinainy no niasa ny bus class. Ny mitovy lalana amin’ny 015 izay mandroseza makany 67 ha aloha no mandeha fa mbola ho avy kosa ny manaraka. Tsy vitsy ireo efa nitaingina izany noho izy miavaka tsy mitovy ny fiara fitateram-bahoaka hafa.
Vetivety no sady malalaka no mampahazo aina tsara izy hoy i Salamanirina Ralambomahay mpamily. Nilaza kosa i Sahondra fa « mba te hanandrana eo amin’ny fiainana fotsiny izany bus class izany satria raha ny sarany aleonay miafy amin’ny fiara efa nahazatra izay tsy hita izay maharatsy azy ».
Isan’ny tena mampanontany tena ilay hoe vetivety raha mandeha aminy ? Tsy misy ny fitohanana ve ? Nilaza mantsy i Mija izay isan’ny mpandeha fa maikamaika izy ka nisafidy ny handeha amin’ny bus class no sady miavaka ny saran-dalana. Ny lalana kosa anefa dia mitovy ny an’ny fiara fitateram-bahoaka hafa ihany fa ny endriny fotsiny no samihafa.
Tsy dia mijanona amin’ny fiantsoanana ela loatra ny bus class ka izany no maha vetivety azy, eo ihany koa ny « connexion » maimaimpoana ho an’ny mpandeha hoy i Andriambolanoro, Filohan’ny kaoperativa Valavika. Manana ny safidiny ny rehetra na handeha amin’ny bus class na ny fiara fitateram-bahaoaka tsotra. Tena misy mahasamihafa be azy ireo tokoa ve ?
Nicole Rafalimananjara
