ActualitésTsidika

Tafatsangana ny klioba 17 isa amin’ny onjampeo fanabeazana « Hary Fahalalana Hary fomba »

Tanteraka nandritran’ny herinandron’ny 02 aogositra lasa teo ny fananganana ny klioba Hary Fahalalana Hary fomba sy ny fampiofanana ireo mpianatra tany amin’ny Lycée sy CEG miisa 17 manerana ny DREN 17 manerana an’i Madagasikara, sekoly izay anombohana ny tetik’asa. Mitohy amin’ity herinandron’ny 09 aogositra ity kosa ny fampiofanana azy ireo.

Tetik’asa izay andraisan’ireo tanora maro mivondrona ao anatin’ity klioba ity anjara amin’ny fampianarana ny mpiara-mianatra sy mpiara-belona aminy momban’ny fanabeazana ara-pananahan’ny zatovo sy ny tanora ary ny fanabeazana olom-pirenena vanona. Arahina isan’andro amin’ny onjam-peo nasionaly sy any amin’ny faritra ny fandaharana.

Ny avy amin’ny fitaleavana misahana ny fanabeazam-bahoaka ho olom-pirenena vanona tarihin’ i Rakotonirina Justin sy ny ekipany avy ao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena no tomponandraikitra mamokatra ity fandaharana ity ary miara-miasa amin’izy ireo amin’izany ny UNFPA sy ny Australian Aid. Noararaotina tamin’izany ny fanomezana vata fandraisam-peo ho an’ny klioba tsirairay avy mba ahafahan’izy ireo mihaino ny fandaharana.

Tsara ny fisian’ny tetik’asa tahak’izao, manome sehatra ny tanora hitaona ny mpiara-belona aminy ho olom-banona. Ary indrindra mampiditra sehatra an-tserasera ny fanentanana ny tanora momban’ny resaka fananahana izay somary manahirana ankehitriny. Amporisihana moa ireo tompon’andraikitra mba hampivelatra ny fanaparitahana izany fandaharana izany indrindra any amin’ny tambazotran-tseratsera izay sehatra tena ahitana ny sivifolo isan-jaton’ny tanora ankehitriny.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire