SocialTsidika

Vahaolana ve ny hanovana ny governemanta ?

Tsy tokony hijerena tombotsoa manokana ny fampandrosoana ny firenena. Mila fampandrosoana i Madagasikara ka tokony hikatsaka io avokoa izay mety ho olom-pirenena rehetra satria tanindrazana iraisana ity. Tsy tokony atao mitondra korontana anefa ny tsy fitovian-kevitra misy fa izany indrindra aza no tena ilaina ahitana ny vahaolana tena mety. Nanolotra vahaolana ohatra ny avy ao amin’ny antoko MFM. Ny fanganana governemanta sy lalam-panorenana ary lalam-pifidianana vaovao ho an’ny tany tan-dalàna sy demôkrasia, hoy izy ireo ny 01 Martsa, no vahaolana amin’izao. Mila fanovana ireo mba hialàna ny korontana nisy sy mety hisy indray ka tokony miroso amin’ny fifampiresahana ny fitondrana. Ny MFM izay anisan’ny antoko mpanohitra fa kosa tsy ao anatin’ny RMDM. Madagasikara mandroso, izay no tanjona, tsy tokony hijerena tavan’olona ny fitantanana ny firenena, ireo tia tanindrazana no tena tokony hisehatra indrindra anatin’izany. Hiadana sy ho finaritra tokoa ity nosy mamintsika ity raha mahay mifampihaino sy mifanaja ny mpitondra sy ny mpanohitra ary ny vahoaka. Ka ny mpitandro filaminana no mametraka ny lamina mba handry ivohon’ny vato ny vahoaka sy ny filohany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire