ActualitésTsidika

Fampianarana : Midina ny fari-pahaizan’ny ankizy ireo taranja fototra telo eny amin’ny ambaratonga voalohany.

Raha mbola eto Madagasikara dia taranja telo no tena fototra eo amin’ny fampianarana dia ny taranja « français, malagasy ary mathématiques ». Ambany anefa ny fari-pahaizan’ny ankizy Malagasy izany taranja izany amin’izao fotoana izay hita taratra ho midina hatrany izany tao anatin’ny taona  3 nifanesy ho an’ny ambaratonga voalohany izany.

« Raha ny isa azo tamin’ny fanombanana izay natao teny anivon’ny toeram-pianarana isan-karazany dia nidina hatrany io isa io hatramin’ny taona 2019 ka hatramin’ny 2021. Raha 48,09 tamin’ny 2019, dia 45,38 ny 2020 ary 43,8 tamin’ny taona 2021. Efa misy ny fanovana ny fomba fampitana fahalalana amin’izao fotoana izao hanarenana izany », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

« Ny hitako olna amin’io dia mety avy any amin’ny sekoly mihitsy. Manenjika isa hanaovana dokam-barotra ny sekoly tsirairay ka tsy mampisy ny ankizy mamerin-taona, manao zéro redoublement kanefa ilay zaza mbola tsy maharaka akory. Izany izao tokony hojerena akaiky satria manimba ny hoavin’ny ankizy. Ny sekoly amin’ny fanjakana mafy ben y fampianarana, tsy misy mitsetra sy manenjika isa izany fa ireo sekoly tsy miankina ireo no mahatonga io isa ratsy be io », hoy i Nandrianina, mpampianatra mpampanao « cours à domicile ».

Amin’ny faritra miisa 8 no tena ahatsapana izany fitotonganan’ny fari-pahaizan’ny ankizy izany dia i Alaotra Mangoro, Amoron’i Mania, Analamanga, Boeny, Bongolava, Haute Matsiatra, Menabe, Vatovavy Fitovinany. Ny faritra Atsimo Atsinanana sy SAVA kosa dia mifanohitra amin’izany izay ahitan fiakarana hatrany izany isa izany. Ary ireo faritra 12 ambiny dia miovaova io isa io isan-taona. Ao anatin’ilay rafi-papianarana vaovao no tokony hampidirana ny vahaolana mahakasika izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire