Ambohimangakely : Miaina anaty tebiteby ny vahoaka indrindra rehefa amin’ny alina
Isan’ny tena mampimenomenona ny mponina ao amin’ny Distrika Avaradrano ny tsy fandriam-pahalemana. Efa nisy ihany ny fepetra noraisin’ny Kaominina maro toy i Alasora, izay nametra ny ora farany azo hivezivezena amin’ny alina.
Mbola miaina anaty tebiteby kosa ny mponina ao Ambohimangakely noho ny tsy fandriam-pahalemana izay mila hiseho isan’andro. « Miantso ny tompon’andraikitra manoloana ny tsy fandriam-pahalemana aty Ambohimanagkely izahay satria mahazo aina ny mpangalatra indrindra rehefa alina ary sahy mandehandeha manerana ny tanàna mihitsy izy ireo » hoy i Mialy Maholisoa, mponina ao Ankadilalana Ambohimangakely.
« Ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka ary indrindra ny Kaominina no tena vahaolana ho an’ny tsy filaminana ary mila fahamalinana ny faritra Ambohimangakely noho izy lalovan’ny lalam-pirenena » hoy i Jeannot, mpamakafaka ny raharaham-pirenena. « Mila mandray andraikitra haingana ny mpitondran’Avaradrano satria saika hiraisan’ny kaominina rehetra ao aminy izao tsy fandriam-pahelamana izao hany ka mametraka sakana lehibe amin’ny fandrosoana, miaina anaty tahotra sy tebiteby ny vahoaka » hoy i Fetra, mpianatra eny amin’ny FDSP Ankatso.
Zava-dehibe tokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka satria ny vahoaka no tena mahita ny zava-misy eny ifotony, ary ny mpitandro filaminana no manana andraikitra hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Azo atao tsara ny maka tahaka ny paik’ady nataon’ny kaominina hafa manoloana ny fiarovana ny mponina ao aminy tahaka ny nataon’ny kaominina Alasora izay nametra ny tsy maintsy hitondrana kara-panondro rehefa alina, ny fisavana ataon’ny zandary, ny fametrahana hazavana manerana ny tanàna. Inona no vahaolana tena mifanaraka ny kaominina Ambohimangakely hamahana ny olan’ny tsy fandriam-pahalemana.
